Famonjena tavan’andro na fanarahan-davahana fotsiny ihany ve no mahatonga ny Fikambanana ”Fampianarana Teny Malagasy (FTM) hanangana tranonkala ?
Nanery ny rehetra hanova paikady ny fihibohana. Efa sarahin’ny elenelan-tany samy manana ny azy rahateo isika Malagasy. Koa mba tsy hitokana-monina satria tena ilaina ny mifampikasokasoka, dia narafitra ny tranonkala FTM, hampifanatona antsika indray !
Noho io tranonkala FTM io dia tsy havelan’ny hasin’ny soatoavina malagasy izay havohitra amin’ny alalan’ny fampianarana ny tenindrazana, tsy hifanatrika ny samy Malagasy maneran-tany !
Manao ”tompony tsy mahazaka manana” mantsy isika : manan-karem-be isika manana ny Teny Malagasy saingy toa tsy ankasitrahantsika izany, ka ataontsika tahaka ny vilanim-bary : mahavita soa vao ahohoky ny olona !
Koa tranonkala natao :
-
hanomezana laka sahaza ny hanitra aman-kasin’ny teny malagasy ;
-
hampitrakana ny fanahy maha Malagasy eo amin'ireo mpianatra teny malagasy ;
-
hivelaran’ny teny malagasy tsy amin-kenatra eo anivon'ireo tenim-pirenena hafa fampiasa eto ambany masoandro.
Manana andraikitra amin’ny fanarenana sy fiarovana ary ny fampitana ny teny malagasy ny fikambanana FTM, koa ezaka ataony sy antom-pisiany ny mitaona ny tsirairay mba hianatra ny teny malagasy na aiza na aiza misy Malagasy.
Afaka mitsidika sy maka vatsy ao anatin’ny tranonkala FTM daholo, na inona na inona andro sy fotoana itiavana hanao izany ary na aiza na aiza tany onenana :
-
izay rehetra te hianatra teny malagasy madio, marina, mazava ary mihaja ;
-
ireo tsy mba zatra miteny malagasy intsony indrindra indrindra, na efa tsy mandre fifandaharana andavanandro intsony ;
-
ireo te hahafantatra ny maha sarobidy ny teny malagasy amin’ny maha soatoavina sy vakoka azy !
Eto am-pamaranana :
-
havelantsika ho faty momoka àry ve ny tenindrazantsika ?
-
hatsahatra hatreo ve ny fampitana sy fifandovana azy ?
Isika taranaka miriaria, miaina amin’izao fotoana izao no antony !
RAKOTOMAVO Tafika
Filohan’ny Fikambanana F.T.M.